France: Vehivavy iray notsondronin’ny olontiany taloha ny antsy tao Nice
Vehivavy 28 taona iray tao Alpes-Maritimes ao Nice no niharan’ny habibiana nataon’ny olo-tiany taloha. Tamin’ny 10 ora sy 20 minitra alina ity niaram-boina ity no niantso ireo mpitandro ny filaminana fa miaodiaody manodidina ny tranony ilay lehilahy ary nandrahona ny hamono azy raha ny fanazavana.
Tonga tao an-toerana tokoa ireo polisy saingy efa tara. Vehivavy efa nitsirara nahitana tsatok’antsy maromaro teo amin’ny kibony no novantanin’izy ireo. Efa nentina any amin’ny hopitaly ny tenany saingy atahorana ny ainy. Ilay nahavanon-doza kosa dia mbola tratran’ny mpitandro ny filaminana teo an-toerana ka nosamboriny avy hatrany.
