11 taona, nahavita nahaforona « émetteur radio »
Nahazendana ny maro ny fahaizan’ity zaza Malagasy, Radebason Elie Garcia, mamorona zavatra maro kanefa vao 11 taona monja izy raha teraka ny 21 mai 2010.
Raha ny tantara dia efa taranaka mahay mihitsy izy satria taranak’i Ramahay izay namorona ny tanàna Marofinaritra, commune Ampasimben’i Manantsatragna. « Zavatra maro no efa voaforon’ity zaza mbola vao 11 taona ity toy ny : Tondeuse électrique, Bombe artisanale, Amplificateur d’antenne, Chargeur solaire vita tamin’ny canette, mini-chaîne (Radio carte, Bluetooth) » hoy i Radebason Michel, rainy. Izao indray izy dia nahavita émetteur radio indray, raha tahaka izao daholo ny zaza malagasy dia ho isan’ireo sangany tokoa isika hoy ny fanehoan-kevitry ny olona tao amin’ny tambajotran-tserasera
« Izahay Ray aman-dReniny dia mankahery azy hatrany ary gaga sy talanjona amin’ny zava-bitany » hoy kosa ny reniny, Berbard Marie Karen. Marihina fa efa ao anatin’ny fanamboarana émetteur télévision indray i Radebason Elie Garcia amin’izao ary raha miampy kely ny fanosehana azy dia ho lasa lavitra tokoa ity zaza ity.
Nicole Rafalimananjara
