SocialTsidika

Nisy ny famerenana an-tsekoly ny mpianatra niala an-daharana

Natomboka ny 23 aogositra lasa teo ny famerenana an-tsekoly ireo mpianatra niala an-daharana tany Morondava, DREN Menabe. Ny UNICEF sy ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena no nifanrimbona tao anatin’ity tetik’asa « CRAN Primaire » ity. « Efa nomena fiofanana nahafahana niatrika izany fampianarana ireo ankizy efa niala an-daharana ny mpampianatra sy ny talen-tsekoly izay nandritra ny telo andro ny faharetany » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena.

« Misaotra ny mpikarakara izao satria mahafaka fahasahiranana tokoa satria sady nahazo fitaovam-pianarana ny zanakay, satria tsy anananay ny enti-manana kanefa tianay tokoa raha mianatra ny zanakay » hoy i Pierrette, ray aman-drenin’ny mpianatra. « Na izany aza anefa dia mbola anatin’ny aretina COVID-19 isika izao ka mila hajaina hatrany ny fidiavana sy ny elanelana amin’izao famerenana an-dakilasy ny mpianatra ao Morondava izao » hoy ny mpanentana ara-pahasalamana any an-teorana.

Isan’ny vahaolana tokoa ny fampianarana ny zaza Malagasy ka ho feno manam-pahaizana i Madagasikara ka hahatakatra izay hitondrana avo ny firenena. Hirariana mba tsy hijanona ao Morondava irery ny tetik’asa tahaka izao.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire