Tchad : Nodimandry ny filoha teo aloha Hissène Habré
Namoy ny ainy teo amin’ny faha 79 taonany ny filoha teo aloha Hissène Habré. Efa mpitarika ny tafika ny tenany teo aloha ny tenany alohan’ny naha filoha azy izay nanonganany an’i Goukouni Oueddei tamin’ny taona 1982. Nahongan’i Idriss Déby indray izy ny taona 1990. Taorian’izany dia nahiditra am-ponja tao Sénégal izy noho ny heloka bevava amin’ny mahaolona, ny herisetra amin’ny ady ary fampijaliana olona. Tao Sénégal tao Dakar no maty izy raha ny tatitry i Sarah Sakho mpanao gazety ao an-toerana.
