SocialTsidika

Nisy ny marimaritra iraisan’ny OMC sy ireo mpandraharaha manoloana ny vidin’entana midangana

Niakatra avokoa ny vidin’ny entana ilain’ny mponina andavanandro any amin’ny faritra Diana amin’izao fotoana izao. Tafiakatra 9 000 Ar hatramin’ny 10 000 Ar ny litatry ny menaka raha 5 000 Ar teo aloha. Ny siramamy dia tafakatra 3 000 Ar ny kilao raha 2500 teo aloha, niakatra 3 000 Ar ny kilaon’ny lafarinina, izay avy novidina 2 000 Ar.

« Niakatra ny sarany aloha teny amin’ny seranan-tsambo ary izany no nampiakatra ny vidin’entana tahaka izao » hoy i Patrick, Mpandraharaha. « Mbola ampy anefa ny tahiry any an-toerana ary mbola misy vary hatrany amin’ny 240 taonina ao amin’ny distrikan’Ambilobe. Manana tahirina menaka 27 280 bidao amin’ny 20 litatra sy lafarinina 480 taonina (9 600 gony); ary mbola misy entana ilaina andavanandro 20 conteneurs, miampy siramamy 7013 taonina ao amin’ny Seranan-tsambon’Antsiranana » hoy ny lehiben’ny Sampan-draharaham-paritry ny Varotra Diana, Pierre Philippe Andriantsoa.

« Samy hampidinina ho 1000 ariary ny iray “bidon” izay menaka 20 litatra ary 2000 ar ny vary iray kitapo amin’ny lafarinina » hoy ny avy ao amin’ny Orgnae Mixte de Conception na ny OMC raha nihaona tamin’ireo mpandraharaha. Hisy ny fidinana ifotony hataon’ny OMC sy ny sampan-draharahan’ny Varotra amin’ireny mpamongady ireny, hanara-maso ny fampiharana ny fifanarahana natao mba hipaka any amin’ny mpanjifa madinika izany

 Vahaolana tokoa ve ny tonga dia fampidinana avy hatrany vidin’entana? Tsy vahaolana haingana fotsiny ihany ve izany fa kosa tsy vahaolana maharitra ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire