France : Ny fampanaraha-dalàna ny rongony ve no hamaha ny herisetra ao Marseille ?
Mitombo ny trangana fanaovam-balifaty ao Marseille noho ny tsy fifanarahana eo amin’ny fanondranana zava-mahadomelina. Manoloana izany dia miheritreritra ny ampanara-dalàna ny rongony ao an-toerana ireo olom-boafidy marseillais sasan-tsasany saingy tsy mbola vonona fitondram-panjakana.
Lehilahy telo indray mantsy no maty ny faran’ny herinandro teo noho io antony io. Tanàna maro ao an-toerana no ahitana trangan-javatra tahak’izany efa an-taonany maro hoy i David Le Bars, sekretera jeneralin’ny syndikan’ny polisy SCPN UNSA. Marihina fa efa nivorianan”ny antenimera ny mey teo ity fanampahan-kevitra ity saingy mbola tsy nomen-kery.
