ActualitésTatitra

France : Mety andoavana lamandy hatramin’ny 450 € ny famahanana biby mirenireny ao Roanne

Nanamafy ny fepetrany manoloana ny famahanana biby mirenireny toy ny saka sy ny voromailala ny tompon’andraikitra ao Roanne. Tsy azo atao intsony ny mamahana sakafo azy ireo ary mety ahavoasazy sy andohavana lamandy 450 euros ny fanaovana izany.

Tanjon’io fepetra io ny fanairana ny mponina amin’ny voka-drasy ateraky ny famahanana sakafo biby mirenireny amin’ny tontolo iainana, ny zava-boahary, ny fahadiovana ary ny fihanaky ny aretina raha ny fanazavan’ny mpanolotsaina miandraikitra ny fiahiana ny biby ao an-toerana. Nanamafy izy fa efa ela io fepetra io nisy saingy maro ireo tsy manaraka izany.

Nanazava i Romain Bost, fa ny fiparitahan’ny sakafo eny amin’ny lalana dia misarika ny voalavo sy ny voromailala izay samy mpitondra aretina.

Laisser un commentaire