Alasora : Nisitraka fitaovam-pianarana ny EPP
Nahazo fitaovam-pianarana avy amin’ny fitondram-panjakana ny EPP tany Alasora. Samy nahazo ny fitaovana ho entina mianatra amin’izao taom-pianarana vaovao ny kilasy rehetra nanomboka T1 hatramin’ny T5 tamin’ireo sekolim-panjakana ireo.
« Tena manampy betsaka ny ray aman-dreny amin’ny fampitaovana ny mpianatra ny toy izao, ny saram-pianarana manko dia efa vesatra ho azy ireo nefa mbola ho ampian’ny fitaovam-pianarana ihany koa » hoy ny telan-tsekoly iray. « Efa saika tsy nahazo fitaovana ny zanako fa ilay efa tamin’ny taon-dasa no saika no ampiasainy kanefa nisy tampoka izao fanampiana izao » hoy i Florentine, renim-pianakaviana mampiana-janaka eny amin’ny EPP.
« Tsapa tokoa fa tena misedra fahasahiranana ny ray aman-dreny amin’izao fidiran’ny mpianatra izao, teo ny covid-19 izay nampihena ny vola miditra sy ny fiatraikany taty aoriana indrindra tamin’ny sehatra fivelomana » hoy ny solon-tenam-panjakana any an-toerana. Vesatra ho an’ny ray aman-dreny tokoa ny fividianana ny fitaovam-pianarana, nanampy trotraka izany ihany koa ny fahalafosan’ny fitaovana amin’izao fidirana amin’ny taom-pianarana vaovao izao. Mety hampihena ny tahan’ny ankizy niditra an-tsekoly ve izao ?
Nicole Rafalimananjara
