Raikely nanimba tanteraka ny vatan’ity zana-badiny vao 10 taona monja
Niaiky ny heloka bevava nataony teo anatrehan’ny manam-pahefana ny lehilahy iray fa nanimba tanteraka ny zana-badiny izay vao folo taona monja. Tsy vao voalohany ny herisetra nataon’ity raikely ity fa saika efa matetika saingy nangina foana ilay zazavavikely.
« Tsy vitan’ny fanolanana teo aloha sy aorian’ilay tovovavy kely no nataony fa mbola nampanaoviny zavatra mamoafady hafa koa » hoy ny mpitsabo nizaha ilay tovovavy. « Natahotra ny mety ho kapoka hahazo azy ny zanako saingy tsy nanaiky intsony nony farany ary nitantara ny nahazo aminy tamiko sy ny reniko » hoy ny renin’ilay tovovavy voavetavetan’ilay raikeliny. « Naharay fitoriana izahay mikasika ny trangana fanolanana tamin’ny zaza tsy ampy taona ary nanomboka nanokatra ny fanadihadihana ka niaiky ny heloka nataony ilay lehilahy ary rehefa mandeha miasa ilay vehivavy no hanamparany io filan- ratsy io ilay zaza » hoy ny avy ao amin’ny Polisim-pirenena.
Mila fanaraha-maso avy amintsika ray aman-dreny ny zanantsika vavy indrindra fa amintsika renim-pianakavina izay niaritra ny mafy tamin’ny zanantsika manoloana ny trangana herisetra ary mila misoroka izany araka izay azo atao. Mila mailo ihany koa ny ray aman-dreny manoloana ny fihetsika rehetra asehon’ny ankizy ao an-tokatrano sy eny anivon’ny fiaraha-monina, fa indrindra ny amin’ny resaka ara-pahasalamana. Efa misy ny sampan-draharaha manokana miaro ny zaza mandray an-tananana ny fitoriana avy amin’ireo mahafantatra na mahita na iharan’ny fanolanana.
Nicole Rafalimananjara
