Haïti : Tsy niandry ny fanampiana iraisam-pirenena intsony ny mponina manoloana ireo « gangs »
Firenena hanjakan’ny krizy maha-olona, ara-politika ary ara-piarovana i Haïti. Manjaka ao an-toerana ny herisetran’ny « gangs » izay mifehy ny ankamaroan’ny faritanin’ny renivohitra, mampihorohoro ny mponina amin’ny fampitomboana ny vono olona, fakana an-keriny ary fanolanana.
Efa nandritra ny fotoana naharitra ireo firenena io no nandefa fangatahana tany amin’ny tafika iraisam-pirenena mba hanampy ireo polisy ao an-toerana manoloana izany tranga izany. Tsy mbola nisy valiny nefa izany mandrak’ankehitriny ka nanapa-kevitra ny hiaro tena irery ireo vahoaka.
Hatramin’ny volana aprily teo dia mpikambana « gangs » 264 isa no matin’ireo vondron’olona ireo raha ny tatitry ny ONU. Vao maika manasarotra ny raharaha ao an-toerana nefa ny fisian’io vondrona « justiciers autoproclamés » io raha ny fanazavan’ny solontenan’ny ONU ao an-toerana, María Isabel Salvador.
