Tsidika

CNaPS : Miandry ny fandaminana vaovao amin’ny fanatanterahana ny asa hatramin’ny faha-12 ny volana Jolay

Taoria’ny fisamborana ny tale jeneraly mpisolo toerana ny CNaPS Joslina Tsaboto dia manatanteraka fitokonana ireo mpiasa eny an-toerana nanomboka ny Alatsinainy lasa teo. Araka izany dia tsy manatanteraka afa-tsy ny asa fototra ihany ireo mpiasa nanomboka ny Zoma 7 Jolay hatramin’ny 12 Jolay ho avy izao.

« Miandry ny fandaminana vaovao izahay mikasika ny fiodinanan’ny asa eto anivon’ny CNaPS. Izahay rahateo mbola en grève ary tsy manao afa-tsy service minimum isan’andro amin’ny 08 ka hatramin’ny 10 ora » hoy ny fanazavan’ny tompon’andraikitra.

Mbola ao anaty savorovoro tanteraka araka izany ny CNaPS amin’izao fotoana izao ary mbola tsy voafaritra mazava ny fotoana hivahan’ny olana misy ao amin’ity orinasa ity.

« Miandry valiny mahafa-po sady mazava mahakasika ity raharaha ity izahay mpiasa eto amin’ny CNaPS .Mahatsiaro ho atao tompon-trano mihono ihany mantsy izahay amin’izao zava-misy ato amin’ ny orinasa izao ka miandry izay lazain’ireo lehibe tompon’andraikitra mikasika ny toe-draharaha misy » hoy ny mpiasa ao amin’ny CNaPS.

Raha tsiahivina dia ny fanavakavahana, sy ny fanaparam-pahefana no anisan’ny antony nitazomana ity Tale Jeneraly mpisolo toerana ao amin’ny CNaPS ity.

Miranto Andrih

Laisser un commentaire