ActualitésTsidika

Izao vao aloa ny karaman’ny sefom-pokontany tamin’ny 2020

Nanomboka nandray ny tambi-karamany tamin’ny herinandro lasa teo ireo sefo fokontany sy ny lefiny eo anivon’ny Distrikan’Antsirabe faharoa. Raha tsiahivina dia efa nanomboka ny volana aprily 2020 lasa teo izay ireo filoham-pokontany sy ny lefiny ireo no tsy nandray ny karamany.

« Fokontany 204, mivondrona ao amin’ny kaominina 20 no mandrafitra ny distrika » hoy ny filoham-pokontany iray. « Ireo filoham-pokontany sy ny lefiny avy amin’ny kaominina 9 hatreto no efa naharay ny anjarany ary mbola mitohy ny fizarana izay atao manoloana ny biraon’ny distrika ao Andranomanelatra » hoy ny avy ao amin’ny Distrika. « Manana anjara toerana lehibe amin’ny fampandrosoana ny eny ifotony ny filoham-pokontany satria izy ireny no tena mahalala ny atiny ka tsy tokony ho atao tsinotsinona ny fandoavan-karaman’izy ireo » hoy i Edouard, mponina ao Antsirabe.

Efa in-betsaka nitaraina noho tsy fahadoavana ara-potoana ny tambi-karamany. Tsy ao anatin’ny tetibolam-panjakana ve ny karaman’izy ireto no taraiky sa inona no tena mahataraiky azy ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire