Royaume-Uni : Zaza roa taona maty noho ny bobongolo tao an-tranony
Zazalahy kely 2 taona antsoina hoe Awaab Ishak no maty nohon’ny fipariahan’ny bobongolo tao an-tranony raha ny valin’ny fanadihadiana nivoaka ny 15 novambra teo. Nonina tao avaratr’i Angleterre io zazalahy kely io ary nisedra olona ara-pisefoana rehefa niaina niaraka io bobongolo io hoy ny tompon’andraikitrin’ny fanadihadiana, Joanne Kearsley.
Tsy nisy nandray fepetra nanafoanana ny bobongola ka maty nohon’ny fijanonan’ny taovam-pisefoana io zaza io raha ny fanamafisan’ny tompon’andraikitra. Niantso ny minisitrin’ny fonenana sy ny fahasalamana ny tenany ary nametraka fanontaniana hoe « nahoana amin’izao vanim-potoana izao no mbola misy olona matin’ny bobongolo ao Royaume-Uni ? »
Ny asa amin’ny fianana an-davanandro fa indrindra ny tsy fahampian’ny fifamezivezen’ny rivotra ao amin’ny trano kosa no tena mahatonga ny bobongolo hoy i Joanne Kearsley.
