ActualitésTatitra

Inde : Niteraka fanoherana ny fahafatesan’ilay olona avy any Congo tao am-ponjan’i Indie

Maty ny alatsinainy teo nandritra ny fihazonana azy tao Bangalore atsimon’i Indie ity Congolais ity. Nosamborina ny alahady noho fitondrana zava-mahadomelina sy fanafody tsy ara-dalàna ny tenany. Joel Malu no anaran’ity lehilahy mbola mpianatra teratany Congolais ity, 27 taona.

Raha ny loharanom-baovao dia fijanonan’ny fo tampoka no nahafaty azy.Efa nitondra ny aretina “bradycardia” ny tenany raha ny fanazavan’ireo olona nahafantatra azy. Efa nanao izay fara-heriny ihany koa ny mpitsabo hitazonana ny ainy saingy tsy nahitana vokany izany.

Teratany africain maromaro no nanao fihetsiketsehana teo alohan’ny biraon’ny polisy taorian’ny fahafatesany. Niteraka nifandona teo amin’ny roa tonta izany.

Laisser un commentaire