SocialTatitra

Haïti : Niala tao amin’ilay faritra mafana ao Port-au-Prince ny MSF

Nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny ONG « Médecins Sans Frontières » na MSF fa hiala ao amin’ilay tanàn’i Martissant ao Port-au-Prince. Antony io fialàna io ny firongatry ny fifandonan’ny vondron-jiolahy (gangs) ao an-toerana. « Tsy afaka hanome antoka ny fiarovana ho an’ny mpiasa sy ny marary izahay ary te hisarika ny sain’ny tompon’andraikitra manoloana ity toe-javatra tsy zaka ao Martissant ity ka tsy maintsy hiala izahay» hoy ny teny nentin’ny MSF. Ity farany izay efa nitondra fitsaboana tao an-toerana nandritra ny 30 taona izao.

Polisy sy mponina an’arivo ihany koa no efa nitsaoka ny toerana noho io antony io. Tsy misy afaka miaro intsony ao an-toerana satria na ireo mpitandro ny filaminana aza nandao ny toby misy azy ireo. Efa lasibatr’ireo andian-jiolahy ireo moa ny MSF iray volana izao. Nihamafy ny herisetra eo amin’ireo vondrona mitam-piadiana tao anatin’ny roa volana ary nitombo ny fifandonana niadiana ny fifehezana ity faritra ao amin’ny ny renivohitr’i Haïti ity.

Laisser un commentaire