ActualitésTsidika

Anosy Avatra: Tafiditra anaty lalana ireo mpivarotra

Anisan’ny olana miseho eny anivon’ny kaominina eny ny mahakasika ny fandaminana ny mpivarotra sy ny tsena. Araka ny voalaza, dia tafiditra anaty arbe ireo mpivarotra, amin’izao fotoana izao ao amin’ny kaominina Anosy Avaratra, ka mila fandraisana fepetra avy amin’ny  tomponandraikitra.

“Olana lehibe ho an’ny mpampiasa lalana na ireo mpitondra fiara na ireo mpandeha an-tongotra ny fisian’ny mpivarotra amin’ny lalana. Sady mibahana no miteraka fitohanana izany ka mila fandraisana andraikitra” hoy I Felana, ao mponina Anosy Avaratra.

“Mila mampihatra ny lalàna ireo tomponandraikitra ao amin’ny kaominina ary manentana ny rehetra amin’ny fanajana izany. Lasa manao izay tiany ny rehetra ka manjary miteraka korontana sy fanafitohinana ho an’ny hafa” hoy I Ravo, mpitondra fiara.

Ezaka mila ataon’ny tomponandraikitra isan-tsokajiny ny fandaminana ny tsena ao anatin’ny kaominina. Ireo mpivarotra ihany koa dia mila entanina amin’ny fanajana ny lalàna sy rafitra mifehy ao anatin’izany mba ho fifanajana eo amin’ny rehetra.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire