Etats-Unis : Fanjakana maromaro no manaiky ny fiasan’ny zaza tsy ampy taona
Efa an-taonany maro no afaka miasa ny zatovo manodidina ny 16 hatramin’ny 18 taona ao Etats-Unis rehefa misy ny tsy fahampian’ny mpiasa. Lalàna velona ao amin’izy ireo fa tsy azo atao ny mampiasa zaza latsaky ny 14 taona ary tsy azo omena asa mety mampididoza sy omena fe-potoam-piasana maivamaivana ireo tanora manodidina ny 16 taona.
Tao anatin’ny taona maromaro nefa dia tsy voahaja izany lalàna izany. Nandritra ny fisafoana nataon’ny mpanara-maso ny asa tao an-toerana dia fantatra fa zaza tsy ampy taona an-jatony no miasa amin’ny alina, any amin’ny orinasa mpanapaka sy mpamono hena ary mampiasa fitaovana mety hampididoza toy ny « scie circulaire».
Rehefa natao ny fahadihadiana dia fantatra fa ny fanjakana mihitsy no nanalefaka ny fepetra manoloana ny fiasan’ireo zaza tsy ampy taona ireo. Isan’izany i Iowa izay nanao sonia lalàna ahafahan’ny zatovo manomboka amin’ny 14 taona miasa 6 ora isan’andro.
