Tsidika

Météo Madagasikara:  Efa miditra anatin’ ny vanim-potoanan’ny ririna isika eto Madagasikara.

Raha araky ny loharanom-baovao dia ity volana Jona ity no fidirana amin’ny vanim-potoanan’ny ririna ho antsika eto Madagasikara ary hiaina izany isika mandritry ny volana Jolay ary ny volana Aogositra. Anisany mampiavaka ny ririnina  amin’ny vanim-potoana  hafa ny fidinan’ny hafanana fa raha araka ny vinavina dia hafana kokoa nohon’ny tokony ho izy ny hafanana amin’ity ririnina 2023 ity amin’ny akapobeny eto Madagasikara.

Mizara roa ny fisehon’ny andro ririnina ho an’i Madagasikara raha araka ny fanazavan’ny manam-pahaizana avy amin’ny famatarana ny mety ho toetry ny andro: ny amin’ny faritry ny afovoan-tany sy ny ilany atsinanan’I Madagasikara ny fisiana zavona, ny fanala mahangoly, ny rivotra mamanala indrindra ny vao maraina sy ny takariva; mety hisy endrika orana tandrifindrahona na erika indraindray ny vao maraina. Mandritra ny tontolo andro dia mety mipoitra vetivety ny masoandro avy eo dia takon-drahona indray. Ho amin’ny ilany andrefan’ny nosy kosa ankoatra ny fidinan’ny maripana dia hifandimby hipoitra hatrany ny maloka sy ny mibaliaka.

Izao fotoana izao ihany koa no vanim-potoana hihetsehan’ireo aretina maro isan-karazany hoy ny fanazavan’ny  mpitsabo ka entanina hatrany ny rehetra mba hisakafo ara-pahasalamana, sy hampitombo ny fihinana voakazo ary ny fanaovana fanatanjahan-tena mba ho fisoroana ny fihavian’ny aretina.

Ho fiatrehana izay ririnina izay kosa dia maro ny fiomanana atao ho an’ny tsirairay araka ny toe-batany sy ny zava-misy eo am-pelatanana. “Efa manomboka manangona akanjo mafana ho an’ny ankizy aloha amin’izao fa efa manomboka mangatsiaka ny andro moa koa  ny “grippe” efa manomboka mamely” hoy ramatoa Bako olon-tsotra.

Miranto Andrih

Laisser un commentaire