ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana: Voaravaky ny arendrina ny tsena

Ao anatin’ny fanomanana tanteraka ny fetim-pirenena tanteraka ny ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana amin’izao fotoana. Efa miparitaka ary manaingo ny tsena ao an-toerana amin’izao fotoana ireo arendrina vita Malagasy sy vahiny, mandravaka ny tanàna.

“Mariky ny fanandratana ny vita Malagasy ny asa tanana vita Malagasy ka tokony hindraindraina sy omena lanja. Hanentanana ny mponina, isika Malagasy hanjifa azy ireny satria tombotsoan’ny rehetra” hoy ireo tomponandraikitra avy ao amin’ny kaominina.

“Tena mahafinaritra ny mahita zavatra tahaka izao. Manome lanja ny vita Malagasy. Fety Malagasy io ka tokony ny an’ny Malagasy aloha no omena vahana kokoa vao ny vahiny. Tokony hifamelona sy hanome lanja ny soatoavina” hoy i Mihaja, mponina ao Sabotsy Namehana.

Fotoana iray ahafahan’ny rehetra mifaly sy manara-po tokoa ny fetin’ny asaramanitra tahaka izao. Ilaina ihany anefa ao anatin’izany ny manao fety am-pilaminana, isorahana ireo loza sy tampoka isan-karazana. Marihina fa manomboka amin’ny 1000ariary dia efa mahazo ny arendrina vita Malagasy.

Manitra R.

Laisser un commentaire