Avaradrano: Miditra amin’ny lalao ampahefa-dalana ny fifaninanana baolina kitra eo amin’ny distrika
Miditra amin’ny lalao ampahefa-dalana (1/4 de final) ny fifaninanana baolina kitra, intercommunal, izay karakarain’ny avy amin’ny distrika. Ny alahady 17 septambra izao no hanatanterahana izany lalao izany, eny amin’ny kianja Pedro Ambohimangakely.
“Hanomboka amin’ny 11ora maraina ny fifaninana baolina kitra eny amin’ny kianja Pedro Ambohimahitsy. Hiakatra kianja voalohany ao anatin’izany ny ekipan’ny kaominina Alasora sy Anjeva. Amin’ny 1ora tolakandro kosa ny lalao hifandrinan’ny kaominina Talata Volonondry sy ny kaominina Ambohimanambola” hoy ny avy amin’ny tomponandraikitra.
“Efa vonona avokoa ny mpilalao sy ny ekipa rehetra. Hanasana ny mpanohana rehetra ho tonga mavitrika, hijery ny lalao satria hery lehibe ho an’ireo mpilalao ny fanatrehana azy ireo sy ny fanohanana azy” hoy ny avy amin’ireo mpanazatra.
Samy maneho ny fahavonany avokoa moa ireo ekipa tafakatra amin’ity dingan’ny ampahefa-dalana ity. Ny fahatongavan’ireo mpanohana sy ny mpijery araka izany sisa no handrasan’ireo mpilalao eny an-toerana.
Manitra R.
