Fikatonan’ny faritra Analamanga : Mila tandrovina hatrany ireo fepetra sakana
Tafiditra ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana faharoa indray isika ankehitriny. Efa nisy fikatonan’ny faritra samihafa tamin’ny andiany voalohany coronavirus ny taona 2020 lasa teo. Sokajiana ho mitovy endrika amin’izany ny miseho ankehitriny. Mampiavaka azy ny mbola tsy hisian’ny fihibohana eto amitsika ankehitriny. Misy hatrany anefa ny fiantraikan’izany eo amin’ny mpampiasa ny lalana. Raha ho an’ny mpitatitra nationaly sy rejionaly izao, tsy maintsy miato amin’ny asany indray aloha izy ireo. Mazava ho azy fa misy fiantraikany amin’ny fidiram-bolan’izy ireo izany. Ahiana anefa ny mety hitohizan’izany fepetra izany ao anatin’ny 15 andro manaraka noho isika mbola ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana. Ny olana anefa, tsy ny fiara loatra no mitondra ny tsimokaretina fa ny fifamezivezen’ny olona izay tsy mitsaha-mitombo. Mahita lalana hatrany ny ankamaroan’ny olona mba hidirana eto an-drenivohitra. Anisan’ny fitaovana hampiasain’izy ireo amin’izany ny moto sy bisikileta. Izay miverina nahazo asa indray taorian’ny fikatonan’ny faritra Analamanga. Iankinan’ny ain’ny Malagasy maro anefa ny fanajana ireo fepetra sakana rehetra amin’ny ady amin’ny valan’aretina. Arakaraky ny tsy hanajantsika ny fepetra napetraka rehetra mantsy no mahaela na tsia ny fiparitahan’ny valan’aretina. Saingy tsy azo hodian-tsy hita anefa ireo olona taraiky eto amin’ny faritra Analamanga sy ny any amin’ny faritra nohon’ny antony maro samihafa izay anisan’ny mitaraina ihany koa vokatr’io fepetra io. Vahaolana naroson’ny filoham-pirenena ny fanomezana alalana azy ireo hihazo ny toerana misy azy amin’ny alalan’ny fanamarinana ny kara-panondro sy ny toeram-ponenana. Anisan’ny vahaolana azo eritretina ihany koa anefa ny fanaovan’izy ireo fitiliana sy ny fiandrasana izany vao afaka mihazo ny toerana misy azy.
Fanilo Rarivoarilala
