Ilaina fanatsarana hatrany ny kalitaon’ny asan’ny taxibe
Mba hialana amin’ny gaboraraka eo amin’ny fitateram-bahoaka, ilaina ny mametraka lamina ho an’ny fiara mpitatitra rehetra. Maro tokoa mantsy ireo olana sedrain’ny mpanjifa ka mampitaraina azy ireo amin’ny hataon’ny taxibe sasantsasany. Ao ireo manary an-dalàna amin’ny andro hariva, eo ihany koa ireo tsy manaja ny mpanjifa ao aminy, ny fisian’ny halatra isan-karazany manginy fotsiny. Manoloana izany indrindra no nikatsahan’ny kaominina Antananarivo renivohitra lamina momban’ireto fiara mpitatitra olona ireto. Raha tsiahivina, ny volana febroary teo no nanomboka tamin’ny fametrahana fitaovana hitiliana (Global Positioning System, na GPS) ny fandehanan’ny ny fiara izy ireo. Tanjona tamin’izany ny hanara-maso sy hanatsara ny fifamoivoizan’ny taxi- be eto Antananarivo renivohitra, hialana amin’ny fitarainan’ny mpanjifa. Efa misy amin’ireo vondrona kaoperativa no efa manana ny GPS manokana ho azy mba hahafahan’ny manara-maso ny mpitatira ao aminy amin’ny fanantanterahana ny asany. Maro ny tombotsoa azo avy amin’ity GPS ity ny, hoy ny filazan’ny kaoperativa efa nampiasa izany. Anisan’izany ohatra fahaverezan’ny fiara mpitatitra, izay mora hita avy hatrany raha misy mangalatra. Hita amin’ny alalan’ny ivon-toeram-piasana eny amin’ny kaominina ny mombamomba ny fiara. Hita amin’ny alalan’ity GPS ity ihany koa ireo fiara tsy manara-dalàna tsy mijanona amin’ny tobim-piantsonana sy ny mivily ary miodina an-dalàna. Ankoatra izany, manodidina ny dimy isam-bolana, hoy ny filohan’ny kaoperativa FMA, izay efa mampiasa io fitaovana io ankehitriny no hita fa mandika lalàna raha toa ka maro noho izany talohan’ny nametrahana GPS. Anisan’ny sazy ampiharina ny fampiatoana avy hatrany ny mpamily sy ny mpanampy azy.
Fanilo Rarivoarilala
