France : Zaza vao teraka nisy nahita tao anaty « la cave »
Zaza menavava iray no hita tao amin’ny faran’ny lalan-tsara, izay mankao amin’ny « la cave » an’ny trano lehibe iray, tao Saint-Etienne. Nosokafana ny fanadihadiana momba ity tranga ity, izay fikasana hamono ny zaza naterany, nataon’ny tovovavy iray 20 taona, araka ny nambaran’ireo manampahefana ao France. Rehefa avy nampidirina hopitaly ny renin’ity zaza vao teraka ity dia nosamborin’ny polisy avy hatrany noho izany fikasana hamono ny zanany izany. Marihina fa nanao irony antsoina hoe « déni de grossesse » ireny ity tovovavy ity. Ny alahady tamin’ny 4 orsa sy sasany maraina no nahare feo mitomany tao amin’ity trano ity ireo mpiray vodirindrina taminy. Rehefa nosokafana ny varavarana dia hita tamin’ny tany ny ra miparitaka, ka nahatonga azy ireo niantso ny polisy. Ny fanarahana ireo piti-dra tamin’ny tany ireo no nahafahana nahatratra ity vehivavy ity sy nanavotana ilay zazakely.
