France : Mpihira sy mpanao Tiktok malaza iray maty tratran’ny lozam-pifamoivoizana
Maty tratran’ny lozam-pifamoivoizana ilay tovovavy iray sady mpihira no mpikirakira Tiktok, Anaïs Robin, 21 taona, avy ao France, araka ny namabaran’ireo ekipan’ny famoronana miaraka aminy. Tokony ho tamin’ny 4 ora maraina, ny sabotsy teo, no nisehoan’ity trangan-javatra mampalahelo ity tao amin’ny tanànan’i Baisieux, akaikin’i Lille France. Avy any Cysoing (Avaratra) ity tovovavy ity. Nitondra ny fiarany ireny izy, ny fotoana nisehoan’ny loza ka nidona tamin’ny hazo teo amoron-dalana. Niezaka namoaka azy tao anatin’ny fiara ireo mpamonjy voina, saingy tsy tana kosa ny ainy. Anisan’ny tena nampiavaka ity tovovavy mpihira ity ny tsikiny sy ny fahatsorany, izay nandona ny maro tokoa. Anaïs Robin dia tena be mpanaraka ao amin’ny tambajotra sosialy Tiktok, mahatratra 500.000 ireo mpanaraka azy ary 140.000 ireo mpanaraka azy amin’ny Instagram.
