ActualitésTatitra

Russie : Niova ho « Vkousno i totchka » ny McDonlad’s ao an-toerana

Niova anarana ho « Vkousno i totchka » (Mafilotra. Teboka) ny toeram-pisakafoana goavan’i Etats-Unis, McDonlad’s, ao Russie. Raha tsiahivina dia nanao fanambarana izy ireo ny 16 mey teo fa hiala ao Russie noho ny ady ao Ukraine. Nanao fanambarana nefa ny tale jeneralin’ny orinasa ao Russie fa niova anarana ihany izy ireo.

Ho fitsinjovana ireo olona 51 000 niasa tao amin’ny McDonald’s izany hoy ny mpitantana ny orinasa Alexandre Govor, 62 taona. « Voninahitra ho azy hoy izy ny fahafahana mampiroborobo io orinasa io ». Mikasa ny hanitatra sy hanokatra toeram-pisakafoana 850 ao an-toerana ny tenany. Efa nisokatra ny alahady teo moa ny « Vkousno i totchka ».

Laisser un commentaire