Etats-Unis : Namirapiratra nandritra ny lalao Golf i Hideki Matsuyama
Nametraka tantara teo amin’ny firenena Japonais i Hideki Matsuyama tamin’ny taranja Golf. Nandresy nandritra ny fifanandrinana lehibe tamin’izany sehatra izany izy izay notanterahana tany Gréogie Etats-Unis ny Alahady 11 Avrily lasa teo ary nahazo ny « Masters d’Augusta ». Tamin’ny taranja Géorgien anefa tsy nahavita afatsy kapoka 4 ity tovolahy 29 taona ity ary lavaka iray no azony. Taty aoriana anefa lasa 18 lavaka no ananany nanoloana ilay Amerikanina Will Zalatoris izay tena mahatalanjona amin’ny fandraisany anjara. Ampy ihany ny fandresena tamin’ity andiany faha-85 ity satria Amerikanina iray, Xander Schauffele, nahazo ny faha 6 manerantany no isan’ny nampiakatra azy tamin’ny fampianarana, teo ihany koa i Jordan Spieth. Izy araka izany no mpanao Golf voalohany avy any amin’ny firenena tatsinanana.
