ActualitésTatitra

Maldives : Hisy ny zotram-piaramanidina lafo vidy hatsangan’ny Beond Air

Toerana misarika olo-malaza sy olona manan-katao maro i Maldives. Manoloana izany dia hanagana zotram-piaramanidina lafo vidy (compagnie de luxe) ho an’ireo mpanam-bola ny orinasa Beond Air. Fiaramanidina Airbus A321 hika farany no hampiasaina amin’izany, mpandeha 68 isa no zakany, ary tokana ihany ny sokajy ny mpandeha ao aminy, dia ny « première classe ».

Azo avadika ho fandriana ny seza ao amin’io fiaramanidina io, ho avo lenta tanteraka ny sakafo, ary manaraka izany ihany koa ny vidiny. Ireo olona manana fahafahana manofa « jet privé » no tena kendrena amin’io zotra io raha ny fanazavana. Hifandray amin’i Dubaï, Hong-Kong ary Singapour kosa io amin’ny voalohany saingy efa mikendry an’i Australie sy ireo renivohitra ao Europe toy i Paris ihany koa.

Mazava ho azy fa tsy milahatra eo amin’ny fandraisan’olona izay hanjoy io zotra io, mandeha mivantana any amin’ny fonenana na hotelin’izy ireo ny tompon’andraikitra, ary misy ny mpamily manokana misahana ny fahatongavan’izy ireo eny amin’ny seranam-piaramanidina.

Laisser un commentaire