ActualitésTsidika

Sofia : Maimaimpoana ny fisoratana anarana hanao fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC

Mitohy ny fampianarana ao anatin’ny fari-piadidiam-pampianarana Sofia. Tsy mbola nahazo vaovao ratsy na ny mety ho fahapotehana nateraky ny rivo-doza ny tompon’andraikitra any an-toerana.

« Mitohy ny fampianarana manerana ny faritra. Tsara raha manaja foana ireo fepetra ara-pahasalamana ho fiarovana ny mpianatra manoloana ny covid-19 » hoy ny avy ao amin’ny DREN Sofia. « Mitohy ny fisoratana anarana ho an’ireo mpianatra hanao fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC manerana ny faritra. Any amin’ny CEG ho an’ireo izay hanao CEPE, any amin’ny lycée ho an’ireo hanao BEPC. Tsy misy sarany ny fanaovana sy ny fikarakarana izany » hoy ny Talem-paritry ny fanabeazam-pirenena, Rakotovao Razafimandimby.

« Tsara raha mifanampy ny ray aman-dreny sy ny mpianatra hanatsarana ny voka-panadinana. Ny any am-pianarana no anjaran’ny mpampianatra fa anjaran’ny ray aman-dreny kosa ny any an-trano » hoy i Lova, mpampianatra. Vahaolana lehibe ho an’ny firenena ny fampianarana ny ankizy. Tompon’andraikitra amin’ny fampiakarana ny lentan’ny fanabeazana ny rehetra manoloana izany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire