ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Nisy ny famendrahana ranom-panafody ho fiarovana amin’ny covid-19

Mitohy hatrany ny ady atao amin’ny fiparitahan’ny valan’aretina covid-19 ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Nisy ny famendrahana ranompanafody HTH tany amin’ireo faritra sy toerana be olona.

« Nisy ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy sy ny Fikambanana Tanora Mandresy ny Fahantrana (TMF). Miara-miezaka hatrany isika handresy ny covid-19 » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. « Ireo faritra be olona no nandrarahana fanafody. Isany tamin’ireo ny tsena, ny birao, ny sekoly ary ireo tokantrano izay manaiky ny hanaovana izany » hoy ny avy ao amin’ny TMF. Tsy tokony ho adino tokoa fa mbola misy ny valan’aretina covid-19 amin’izao. Tsara foana ny manaja ireo fepetra ara-pahasalamana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire