ActualitésTatitra

La Réunion : Nametraka milina 3 mamadika ny vola vy ho « bons d’achats » indray ny E. Leclerc

Ny 30 novambra 2022 teo no nametrahan’ny E. Leclerc voalohany ny « borne Eurocyleur » tao amin’ny nosy La Réunion voalohany. Napetraka ao amin’ny tranom-barotra lehibe ao La Réserve Saint-Marie izany ary tena isarika olona maro tokoa. Tao anatin’ny roa volana mantsy dia nahangona vola vy 2 500 000 isa izany ary nizara « bons d’achats » 2 662 isa.

Manoloana izany dia nanitatra ny toerana nametrahana ny milina ireo tompon’andraikitra. Ao amin’ireo tranom-barotra E.Leclerc no misy izany ao Portail ao Saint-Leu, ao Casernes ao Saint-Pierre ary ao Tampon Centre. Efa ana-dalam-pametrahana ny milina ao Saint-Benois ihany koa ireo tompon’andraikitra.

Raha hazavaina tsotra ny fampiasana ny « borne Eurocyleur » dia harotsaraka ao amin’ny milina ny vola vy 0.01 hatramin’ny 2 euros ary misy « bons d’achats » mivoaka aorian’izany ahafahana miantsena ao amin’io tranom-barotra nandrotsahana ny vola io. Marihana fa tsy misy sarany ny fandraisana anjara amin’izany.

Laisser un commentaire