ActualitésTsidika

Fandraharahana: Inona no nanosika anao hanangana orinasa?

Afaka manangana orinasal ho an’ny tenany avokoa ny olona rehetra. Sady manana alalàna ny olona trsirairay amin’izany no manana fahafahana ny hanangana izay heveriny fa hitondra tombony ho azy. Fomba iray hahafahana mampiakatra ny harinkarena faobe eto antoerana ihany koa izany. Maro ny antony mety najhatonga ny olona iray hanagana orinasa. Mety anisan’ny manana eritreritra ohatran’izany ihany koa ianao fa tsy sahy.

Raha nanontaniana ireto mpandraharaha vitsivitsy dia maro tamin’izy ireo no nilaza fa famoronana asa ho an’ny tenany no nanosika azy hanangana orinasa. Tao ihany koa anefa ireo nilaza fa te hanolotra zava-baovao ho an’ny olona izy. Mety hampahomby daholo izany antony rehetra izany fa ao anatin’izany fananganana orinasal izany dia mila manana toetra manana faharetana, toetra tia mahafoy tena, toetra tia manangona fa tsy mandanindany fahatany.

“Lesona roa no azoko ambara ny tanora sy izay te hiditra amin’ny sehtary ny fandraharahana ka hanangana orinasa. Voalohany aloha aza kamo, mila mazoto foana manao ny asa ary ampiana tsikitsiky dia hitanao fa handroso. Faharoa, mila resy lahatra ianao fa tinao ilay zavatra hatao ka tsy hiteraka olana be izany ho an’ny tohiny any aoriana”, hoy ity mpandraharaha amin’ny resaka tao-trano iray.

Tena tsara ny fahaleovantena raha manana fahafahana manao izany. Mila hananana kosa anefa ireo toetra tsara mba hampahomby ny asa sy ny orinasa.

Miora Raharisolo 

Laisser un commentaire