Dépêches

Fitsarana : Hiakatra fampanoavana i Ketakandriana Rafitoson avy ao amin’ny TI-MG

Dépêche 24 novembre, 14h, Nisy ny raharaha nampifanolana ity sekretera mpanatanteraka ny TI-MG ity amin’ny Groupement des Exportateurs de Litchis (GEL). Raha tsiahivina dia nisy ny ampamoaka izay nataon’ny TI-MG mahakasika ny mety ho kolikoly misy eo anivon’ny sehatry ny fanondranana litchis nandritra ny 10 taona teo ho eo ity. Nolavin’ireo avy amin’ny GEL anefa izany ka notoriany ity sekretera mpanatanteraka ity. Anio no hiatrika ny fitsarana ny raharaha. Manoloana izany anefa dia miara-mientana ireo firaisamonim-pirenena mba ahafahana mahazo valiny mahafa-po amin’ny mety ho fahamarinana na tsia teo amin’ny ampamoaka izay natao.

Laisser un commentaire