Dépêches

Ady mivady niafara tamin’ny fikaikerana filahiana tao Ambatondrazaka

07 Desambra, 10h00. Tao Antanifotsy Ambatondrazaka no niseho ity tranga iray ity, nandritra ny adin’ny mpivady iray izay efa matetika ao an-toerana. Mamomamo ilay rangahy ka nanomboka nifampikasin-tànana ny roa tonta kanjo voakaikitr’ilay ramatoa tsy nahy ny filahiam-badiny niaraka tamin’ny pataloha ka naratra mafy ary nitosaka ny rà mihitsy. Nentina namonjy toeram-pitsaboana haingana ilay rangahy ary mihatsara ny fahasalamany ankehitriny.

Laisser un commentaire