Fifamoivoizana: Mampididoza ny manapaka sy miodina tsy ampisainana.
Dépêche 18 octobre, 15h, Tato ato dia ireo mpampiasa kodiaran-droa no tena niteraka resabe maro noho ny lozam-pifamoivoizana ateraky ny tsy fitandremana amin’ny fampiasana azy ireny. Maro ireo tsara ho fantatra amin’ny fampiasaan ireny kodiaran-dora ireny mba hialana amin’ny loza. Mila tandremana foana ny faimpitana sy ny fihodinana andalana. Jerena tsara ny fepetra rehetra izay vao miampita na mihodina ary rehefa malalaka tsara vao mandeha. Jerena ihany koa sao takona ka tsy hitan’ilay mpamily eo aloha. Maro ny fitandremana hatao fa ny fandehanana mora ihany no tena zava-dehibe indrindra.
