Dépêches

Barea Beach Soccer: Vonona handombaka ny amboara amin’ny CAN

Dépêche 18 octobre, 14h, Hotanterahina any Mozambika ny 21 ka hatramin’ny 28 oktobra izao ny faidiana izay ho tompon-dakan’ny Afrika amin’ny lalao baolina kitra lalaovina eny amin’ny tora-pasika. Ao amin’ny vondrona D no misy an’ny Madagsikara miaraka amin’ny Ouganda, Sénegal ary Egypte. Efa any an-toerana ireo mpilalao Malagasy ary efa vonona tanteraka. Raha tsiahivina dia ny taona 2015 no nandrombaka ny amboara izy ireo ka efa ao anaty fahavononana tanteraka handrombaka indray ny amboara. Farafaharatsiny hoy ny mpanazatra mba tafiakatra amin’ny dingana famaranana izay ahafahana mahazo ny tapakila hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany. Araka ny fanazavana hatrany dia azo atao tsara ny mandresy ireo mpiray vondrona ireo.

Laisser un commentaire