Colombie : Peñón de Guatapé, tendrombohi-bato avo dia avo
Tendrombohi-bato na « monolithe » mirefy 220 metatra ao Guatapé ao Antioquia ny Peñón de Guatapé na Piedra del Peñol. Heverina fa 4 685 000 m3 ny haben’io tendrombohi-bato io ary tombanana ho 10 tapitrisa taonina ny lanjany. Manodidina ny 18°C kosa ny mari-pana ao amin’io toerana io.
Vondrona mpinamana, Luis Villegas, Pedro Nel Ramírez ary Ramón Díaz no niankina io toerana io voalohany amin’ny volana jolay 1954. Raha ny fantatra dia 5 andro nihanian’izy ireo io Peñón de Guatapé izay mbola tsy nisy tohatra tamin’izany. Amin’izao fotoana kosa dia mahatratra 740 isa ny fiakarana amin’ny tohatra miazo io toerana.
Teo amin’ny tendron’ny Peñón de Guatapé no nahitan’ny siantifika avy tao Allamagne karazan-javamaniry antsoina hoe Pitcairnia heterophylla.
