Dépêches

Rivo-doza Freddy: Tombanana hiditra eto Madagasikara amin’ny 6ora hariva hatramin’ny amin’ny 8ora alina

Dépêche 21 février, 13h, Tombanana hiditra an-tanety eo anelanelan’i Mahanoro sy Manakara anio hariva na anio alina ilay rivodoza Freddy, araka ny voalazan’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro. Any amin’ny 395km Atsinanana, Avaratra Atsinanan’ny Mananjary ity rivo-doza ity izay mikisaka amin’ny hafainganam-pandeha hatramin’ny 35km isan’ora ary mitondra tafiotra hatramin’ny 250km isan’ora sy rivotra 175km isan’ora. Mila mitandrina avokoa araka izany ny faritra rehetra tsy ankanavaka amin’ny fandalovan’ity rivo-doza Freddy ity noho izy izay mbola rivo-doza mahery vaika hatrany ny fiantsoana azy.

Laisser un commentaire