Fananan-tany: Havaozina ny fomba fiasa hahafahana misitraka kara-tany.
Dépêche 08 novembre, 13h, Manana tany farafahakeliny iray ny Malagasy tsirairay kanefa mbola tsy manana ny karatra manamarina izany. Miteraka olana eo amin’ny fiaraha-monina matetika anefa ny ady tany raha tsy manana izany taratasy izany. Anatin’ny herinandron’ny fanajariana ny tany isika eto Madagasikara amin’ity herinandro ity ka hisy ny hetsika ho tanterahina eo anoloan’ny lapan’ny tanàna Antananarivo. Hetsika iray natao hampahafantarana ireo tolotra rehetra misy eny anivon’ny Birao Ifotony ny Fananan-tany (BIF) izany sy ireo fanatsarana ny fomba fiasa rehetra hanamorana fahazoana ny fananan-tany sady hanampiana ny olona rehetra izay mila fanazavana mahakasika ny fananan-tany.
