U-report : Mivondrona amin’ny plateforme iray ireo tanora hifampizara fahalalana sy fahaizana
Efa tanora an’aliny izao no mivondrona ao anatin’ny plateforme « U-report », ity plateforme an-habaka iray ity izay natao hifanentanana sy hifampianarana ny mahakasika ny sehatra rehetra mety hanohitohina na hananany vaovao. Ao anatin’izany ireo tanora ireo dia afaka mifanakalo hevitra sy mifanome torohevitra. Ilaina ny feon’ny tanora mba ahafahany mahatsapa fa mandray andraikitra izy amin’ny lafiny ara-tsosialy sy ny ara-toekarena rehetra eto Madagasikara. Afaka resahana ao anatin’izany ny fahasalamana, ny tontolo iainana, ny fampianarana, ny zon’olombelona, ny heisetra hatao amin’ny maha lahy na ny maha vavy sy izay rehetra hita fa mety tsy mampandroso rehetra eny anivon’ny fiaraha-moniona eny.
« Manodidina ny tanora 10 800 isa eo no mivondrona amin’ity plateforme ity, ary amin’ny alalan’ny tamba-jotran-tserasera no tena hiasanay betsaka. Any no ahitana tanora maro ankehitriny ka ziay no nisafidianana ity tamabzotra ity. Ankoatra izany anefa dia nanatanteraka sondage izahay tamin’ny alalan’ny hafatra an-telefaonina ka efa maro ihany koa ireo tanora no liana amin’izany plateforme izany », hoy ny tompon’andraikitra ny U-report.
« Tanora miisa 3 000 no efa nandray anjara tamin’ny fanovana ny rafi-papianarana noho ny fahitan’izy ireo fa misy zavatra mila fanovana ny fomba fiasa mba hampiakatra ny lentan’ny fampianarana eto Madagasikara », hoy hatrany ny fanazavana.
« Amin’ny maha-tanora ahy, ny tamba-jotra no hany ahafahako maneho hevitra satria tsy dia maro amin’izao fotoana izao ny olona no mihaino rehefa izahay no maneho hevitra. Mba manana ny hevitra mety hahasoa ihany koa izahay raha manaraka ny fivoarana ka izay no antony nidirako ato amin’ity plateforme ity », hoy i Menja, mpikambana vaovao ao amin’ny U-report.
Tsy mifidy taona ny fidirana amin’ity plateforme ity, ary tsy mifidy sokajin’olona na lahy na vavy, ary indrindra tsy mifidy toerana. Etsy andaniny anefa dia ireo tanora any ambanivohitra manana hevitra sy manana olana hangatahana sy hitadiavana vahaolana tsy afaka misitraka izany noho ny tsy fahaizany ny mikirakira teknolojia. Mila jerena ihany koa ny momba izany satria ny fampandrosoana dia tokony miainga avy any amin’ny ambany indrindra ary mandroso toa izany ihany koa ny andrenivohitra.
Miora Raharisolo
