Ambohimangakely : Mitohy ny fanadihadiana mikasika ilay vono olona tamin’ny zoma
Nanaitra ny maro ny tranga niseho tao Ambohimangakely ny faran’ny herinandro, tokony tamin’ny 11ora sy 30 atoandro, lasa teo. Renim-pianakaviana iray no maty novonoin’ny zana-drahavaviny tamin’ny antsy. Nitsoaka nandositra avy hatrany io tovolahy nahavanona ny loza io ary mbola karohina hatramin’izao, araka ny voalaza.
« Mampalahelo ny tranga toa izao, tanora, zanaka indray no mamono ireo olon-dehibe. Ary anisan’ny tena enjana satria ny ray aman-dreny nitaiza no novonoina » hoy i Nivo, mponina ao Ambohimangakely.
« Mety any amin’ny lafin’ny fitaizana no olana mahatonga ny tranga toa izao. Tsy mba tao anatin’ny fahendrena na soatoavina malagasy ny mamono olona, ary ny ray aman-dreny fanaja foana na inona antony na inona tsy tokony hikasi-tanana akory » hoy i Hanta, mpanabe.
Mila fandraisana fepetra mahomby na eo amin’ny lafiny fitaizana na eo amin’ny lafiny fanamafisana ny lalàna mifanaraka amin’ny tranga toa izao no tokony hatao hisorohana ny mety ho fiverenan’ny tranga toa izao.
Manitra Ramanantsoa
