ActualitésTatitra

Comores : Nanangana tolotra fandefasam-bola vaovao ny Telco et Exim bank

Notontosaina ny faran’ny herinandro teo tao amin’ny hotely Eucalyptus tao Comores ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny tolotra fandefasam-bola vaovaon’ny orinasa Telma Comores sy ny Exim bank.

Raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra dia ahafahan’ireo mpanjifa manana kaonty (compte courant/ épargne) sy Mvola manatontosa fandefasam-bola avy amin’ny andaniny sy ny ankilany izany. Efa nanatontosa handrana ny tompon’andraikitry ny familavolana ny Mvola, Rachadi Aboubakar nandritra io fanokafana io.

Anisany tombony amin’io tolotra io ny fanamorana ny fandoavan-karama sy ny fanamorana ny rafitra ara-bola ny firenena hoy ny tale jeneralin’ny Telma Comores, Christophe Olivier. 

Laisser un commentaire