ActualitésTsidika

Sora-piankohonana : Nohamoraina ny asa fanaovana azy tao Anosy Avaratra

Nisy fanavaozana ny asa misahana ny soram-piankohonana tao amin’ny Kaominina Anosy Avaratra. Narahina fampiofanana ireo tompon’andraikitra izay misahana ny sora-piankohonana izany.

« Hita araka izany fa malaky kokoa ny fahavitan’ny asa. Ary amin’ny endriny vaovao indray ny kopia sy ny bulletin de naissance atao ato amin’ny kaominina » hoy i Veronique, mponina ao Anosy Avaratra. « Isaorana ny GIZ nanao ny tan-tsoroka sy ny fampiofanana. Miezaka hatrany isika manatsara ireo tolotra amin’ny fanatanterahana ireo asa ho an’ny vahoaka » hoy i Razafimahefa Luc, ben’ny tanàna ao Anosy Avaratra.

Isan’ny manafaingana ny asa tokoa ity fanavaozana natao’nny Kaominina ity. antenaina mba hiparitaka amin’ny kaominina maro izany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire