Dépêches

Toliara : Mpiambina tsena iray maty notafihan’ny jiolahy

04 Aprily, 08h00. Lehilahy iray 61 taona, mpiambina tsena fivarotana enta-madinika no novonoin’ny jiolahy tamin’ny fomba feno habibiana ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy, tamin’ny 01 ora maraina teo tao Sakama, Toliara. Tafatsoaka ireo jiolahy ary lasa tamin’ireo ny vola sy ny entana tao an-tsena. Efa eo am-pelantanan’ny manam-pahefana kosa ny raharaha.

Laisser un commentaire