Ankatso : Tratra nandritra ny fisavana teny ifotony ireo mpivarotra jiron’ny jirama
22 Aogositra, 17h45, Tratra nanditra ny fidinana ifotony nataon’ny mpiasan’ny jirama ny trangana fivarotana jiro amin’ny “pavillon” manodidina ny mpianatra mipetraka eny amin’ny faritra Ankatso, tamin’ny alalan’ny fanarahana ny taribian-jiro mivoaka avy ao amin’ny « bloc » eny an-toerana. Izany dia namatsy “pavillon” miisa valo. Nanamafy ny orinasa jirama fa ny trangana halatra toa izao no anisan’ny miteraka fatiantoka ho an’ny oniveriste ary koa miteraka fikorontanana amin’ny famatsiana herinaratra amin’ny faritra Ankatso sy ny manodidina.
