Moramanga: Miisa 141 ireo olona voatily ho mitondra ny tsimok’aretina VIH SIDA
Dépêche 04 octobre, 13h, Mitombo indray ny isan’ireo olona mitondra ny tsimok’aretina VIH SIDA raha ny tao Moramanga izao dia miisa 141 ireo olona no mararin’izany. Efa tafiakatra 60 olona manaraka fitsaboana amin’izy ireo amin’izao fotoana izao. Efa misy ihany koa ireo namoy ny ainy vokatr’izany. Aretina mifindra izy io ary tsy mety sitranina fa ny vahaolana tsara indrindra dia ny mitandrina amin’ny fomba rehetra mety hampisy azy.
