Ambohimangakely : Nanomboka omaly alatsinainy ny fiofanana maimaim-poana
Omaly alatsinainy no nanombohan’ny fiofanana maimaim-poana ao amin’ny BTC, etsy Ambohimangakely. Maro ireo tanora no liana tamin’ny fiofanana, ary tonga nifampitaona avy hatrany teny an-toerana izy ireo, omaly maraina.
« Hetsika maimaim-poana avokoa no atao sy hita ato amin’ny BTC mandritra ity volana ity. Ireo hetsika ireo izay efa nahafantarana ny BTC hatramin’izay dia ny fampianarana teny vahiny, ny informatique, ny tefy vy sy ny maro hafa, ary noezahina izany mba hanakaiky ireo ety ifotony mba hanamora ny fisitrahan’ireo izay tanora liana amin’ny fiofanana, ahafahany mianatra asa, hanomanany ny ho aviny sahady » hoy i Jessicat, tompon’andraikitra ao amin’ny BTC.
« Tanjona manokana ny mahatonga ahy tonga aty. Izaho manokana te hahay sy hahafehy ny taranja informatika ka izay no nahatonga ahy nana-pakevitra ny hanaraka fiofanana ato amin’ny BTC » hoy i Nantenaina, mpianatra, mipetraka any Manjakaray.
Hita soritra teny amin’ireo tanora tokoa ny fahavonana amin’ny fiofanana. Tsara ny mampahafantatra fa vao voalohany ny hetsika maimaim-poana tahaka izao ao amin’ny BTC ary anisan’ny nanamarika ity ihany koa ny fanampianany « cours d’appui » ho an’ireo mpianatra hanala ny fanadinana BEPC sy ny Bakalorea.
Manitra Ramanantsoa
