Alasora : Hanomboka amin’ny sabotsy ny « Tournoi du Maire 2021 »
Hotanterahana manomboka ny 4 septambra izao amin’ny 12 ora tolakandro ny lalao baolina kitra karakarain’ny Kaominina Alasora antsoina hoe « Tournoi du Maire 2021 ». Eny amin’ny kianja Est Mahazoarivo no hanatanterahana izany ka ny ekipa rehetra izay handray anjara dia tokony ho tonga eny avokoa.
« Antsoina ny ekipa rehetra hadray anjara ho tonga eny amin’ny kianja Est Mahazoarivo amin’io 4 septambra io ary ireo izay efa nanatitra “bordeau” dia efa afaka maka ny “licence” ao amin’ny kaominina » hoy ny avy ao amin’ny kaominina. « Mety mihitsy ny hetsika fampialana voly ny tanora tahaka izao satria raha tsy misy ny hetsika ho azy ireo dia manjary manita-tsaina hanao zava-dratsy izy ireo raha tsy mandinika tsara » hoy i Florent, raim-pianakaviana monina any an-toerana. « Tena mihetsiketsika mihitsy aloha ny kaominina ary isaorana lehibe izany satria izay rahateo no andraikiny ao anatin’ny fampivoarana anay tanora daholo izao » hoy i Arnold, tanora mpilalao baolina kitra ao Alasora.
Tsy nympilalao irery no omena vahana eto fa na ny mpankafy sy ny mpijery aza. Mifanindry izany eto ny andro hanombohan’ny Kaominina Alasora sy ny fitokanana ny kianjan’ny Barea.
Nicole Rafalimananjara
