SocialTatitra

Danemark : Minisitra teo aloha voapanga ho nampisaraka mpivady mpifindra monina

Voapanga nandika ny lalàna tamin’ny fampisaraha mpivady nangataka fialofana tao aminy ity ministry fampiraisana teo aloha Inger Støjberg ity. Notsaraina tao amin’ny fitsarana manokana ao an-toerana izy ny alakamisy teo, dingana izay tsy fanao matetika ao amin’ity firenena scandinave ity. Tranga voalohany tao anatin’ny 25 taona izany ary iray ihany aza ny tranga tao alohan’io tamin’izany raha ny fanazavan’i Frederik Waage, mpampianatra lalàna ao amin’ny oniversite ao Danemark Atsimo. Mpitsara 26 ao amin’io fitsarana manokana io no nametraka “audience” 36 andro hamantara raha tena nandika ny fifanarahana européen tokoa i Inger Støjberg amin’ny fanasarahana mpivady mitady fialofana.

Laisser un commentaire