Afghanistan : Efa miomana amin’ny famoahana ny governemantany ny Taliban
Niomana ny hampilaza ny governemanta vaovao ny Taliban ny alakamisy teo. Ao anaty krizy ara-toe-karena lalina nefa i Afghanistan, efa roa herinandro izao hatramin’ny nigiazan’izy ireo an’i Kaboul. Tsy misy miangana intsony ao an-toerana hoy i mpanao gazety Cyril Payen. An-jatony ireo afghan milahatra eo alohan’ireo ministera izay mihidy raha ny fanazavany.
Misedra olana ara-bola ny firenana, antony hanafainganan’ireo Taliban ny fanaganana fitondram-panjakana. Nanambara tamin’ny tamba-jotra sosialy ny solotenan’izy ireo fa efa handàlam-pikarakarana ny ao amin’ny lapa-panjakan’i Kaboul ny amin’ny famoahana ny fitondrany izy ireo.
