SocialTatitra

France : Lehilahy iray maty voatifitra teo am-panetezana ny bozaky ny zaridainany

Tsy mbola voafaritry ny sampan-draharahan’ny fitsarana mazava ireo tompon’antoka tamin’ity fitifirana niseho tao Gironde France ity. Araka ny fanadihadiana natao, dia ny mpiray tanàna aminy ihany no ahiahiany nahavita izany heloka be vava izany. Lehilahy iray 55 taona no maty voatifitra, noho ny tifitra variraraka nahazo teo, teo ampanamboarana ny fefiny. Mpiasan’ny kaominina ao an-toerana ity lehilahy namoy ny ainy ity. Tsy fantatra mazava ny tena tompon’antoka sy ny antony nanaovana izany fihetsika izany. Ireo teo amin’ny manodidina dia mbola handalo fanadihadiana avokoa ao anatin’izany. Misy ihany koa ny fandraisana an-tanana ara-psikolojia atao azy ireo, ahafantarana ny marina ao anatin’izany.

Laisser un commentaire